Vita tamin’ny alatsinainy 04 mey 2020 teny amin’ny foiben’ny fiangonana FLM teny Isoraka ny Sonia fifanaraham-piarahamiasa eo amin’ny fiangonana FLM sy ny Paositra Malagasy amin’ny hampiasan’ity farany ny tolotra Paositra Money
handoavana ny karamana sy ny fisotroan-drononon’ireo pasitera ao aminy sy amin’ny haha-“Distributeur”-n’ny PaositraMoney ny fiangonana Loterana rehetra manerana ny nosy. Masa-bary maito kitoza ny roa tonta, hoy ny filohan’ny FLM ny Dr Pastora Rakotonirina David izay nanatanteraka ny soniam-piarahamiasa niaraka tamin’ny Tale Jeneralin’ny Paositra Malagasy Atoa Ranarison Richard notronin’ny minisitra Ramaherijaona Andriamanohisoa sy ny mpiara miasa amin’izy ireo tsirairay avy. Fantatra fa efa mahatratra 600 eo ho eo izao iireo Pastora FLM sy sampana vehivavy FLM nahasokatra kaonty ao amin’ity Paositra Money izay ho heverina hipaka hatrany amin’ny 2000 isa ireo mpino FLM hisitraka izany kaonty izany tsy ho ela Ramaherijaona Andriamanohisoa. Ny fiangonana FLM izany no nisantatra voalohany ny fiaraha-miasa matotra amin’ny Paositra Money, araka ny heno teny Isoraka tamin’ny alatsinainy, ary inoana fa hanara-dia azy koa ireo fiangonana 3 tonta hafa mpikambana ao amin’ny FFKM satria efa tafapitan’ny filohan’ny FLM izay filoha am-perisan’ity FFKM ity ankehitriny tamin’ireo filoham-piangonana namany izany hevitra izany.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.