Actualités

Fianarantsoa Vaky loha ny soferan’ilay kamiao mpandrava tsena


  • Alatsinainy 28 Septambra 2020

Efa gidragidra ny fandravana nataon'ny fiadidian’ny tananan’i Fianarantsoa an'ireo trano aorian'ireo trano noravana andro vitsivitsy lasa izay, teo anoloana'ny « Descours et Cabaud »

 

 

 

 ao Fianarantsoa, raha ny fampitam-baovao voaray. Notorahan'ny olona vato ny fiaraben'ny CUF nanao ny fandravana. Nirifatra nitsoaka ny fiara miisa 3 tonga teny an-toerana. Vao maraina dia efa maro ireo olona niandry teny an-toerana nitondra sorabaventy manohitra ny ambaran'izy ireo fa didy jadona. Tonga ny mpiasan'ny kaominina handrava trano ary efa nanomboka ny asa. Niakatra ny maripana teo amin'ireo olona nanohitra fandravana ary niafara tamin'ny tora-bato. Potika ny fitaratry ny fiaran'ny CUF iray tamin’izay fotoana izay, raha ny fitantaran’ny nanatri-maso. Niala teo amin'ny toerana avy hatrany ireto fiarabe ireto niaraka tamin'ny mpiasan'ny kaominina. Nisy ihany ireo mpitandro ny filaminana nihaodihaody manodidina iny toerany iny, saingy nijery lavitra ihany. Nilaza moa ireo nanohitra ny fandrodanana sy ny vaditany nalain'izy ireo fa nahazo alalana avy amin'ny CUF ny fanorenana. Nitohy ny sabotsy teo ny fandravana ary nitohy ihany koa ny tora-baton’ireo mponina. Vokany dia vaky indray ny fitaratra anoloan’ilay kamiao mpandrava ary vaky loha ny sofera, hoy hatrany ny fampitam-baovao avy any an-toerana.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT