Actualités

Fianarantsoa Saika niharan’ny fitsaram-bahoaka ilay mpanary zaza


  • Talata 16 Jona 2020

Tsy hay intsony na fakana an-keriny na fanarian-janaka no nataona lehilahy iray tratra nanary zaza iray tao Mandalahy ao Fianarantsoa omaly tolakandro. Mpifanolo-bodirindrina no mailo

 

 

 ka nanaradia tamin’ny fiara ity lehilahy ity izay hitan’izy ireo nitsoaka tamin’ny bisikileta rehefa avy nanary ilay zaza. Namidiny taman’olona teny amin’ny lalany teny avy eo io bisikileta io ary nanohy ny diany an-tongotra izy. Nampandre ny zandary sy ny ben’ny tanana moa ireo mpanaradia, raha ny fitantaran’izy ireo. Tratran’ireo fokonolona ihany koa anefa ity tovolahy ity ka efa saika niharan’ny fitsaram-bahoaka raha tsy teo ireto nanaradia tamin’ny fiara voalaza teo ireto, hoy hatrany ny fampitam-baovao avy any an-toerana.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT