Fianarantsoa

Nosazian'ny fitsarana


  • Zoma 05 Jona 2026

3 taona am-ponja ny Ben’ny Tanana teo aloha

Namoaka didy omaly Alakamisy 04 Jona ny Tendrom-pitsarana miady amin’ny kolikoly (PAC) ao Fianarantsoa mahakasika ny raharaha trano fivarotana “Box”, naorina ao ambanin'ny Gradin an'ny kianja Stade Ampasambazaha ao Fianarantsoa. Voaheloka higadra 3 taona an-tranomaizina sazy mihatra ity olom-boafidy ity miampy onitra 10 tapitrisa Ar. Ankoatra izay, dia namoahan’ny fitsarana didy fampisamborana ihany koa izy. Tsy mahazo misahana andraikitra amin’ny asam-panjakana mandritra ny 2 taona koa ity Ben'ny tanana teo aloha ity, ary voarara tsy mahazo mirotsaka hofidiana mandritra ny 5 taona. Tsy izy irery anefa no voakasik’ity raharaha ity hoy ny vaovao azo fa voasazy handoa onitra 15 tapitrisa Ar ihany koa ny mpiasa iray ao amin’ny Kaominina Ambonivohitr’i Fianarantsoa, miaraka amin’ireo tompon’andraikitra telo hafa izay isan’ny nitantana teo aloha. Etsy ankilany dia natsahatra kosa ny fanenjehana ireo mpanolotsainan’ny tanàna. Raha tsiahivina kely ny tantara dia ny 09 jona ho avy izao ihany koa no havoakan’ny fitsarana ny didy amin’ny raharaha iray hafa mifandraika amin’ny fivarotana tany ao Ampasambazaha Fianarantsoa.
Nangonin'i Pati
Légende : Samy nanana ny fandraisany io fanapahan-kevitry ny PAC io ny mponin'i Fianarantsoa !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT