Mpianatra tanora Malagasy eny amin’ny Lycée miisa 64 no nahazo vatsim-pianarana avy amin’ny Masoivoho Amerikanina ka hianatra teny anglisy amin’ny alalan’ny fandaharanasa “English Access Microscholarship” eny amin’ny English Teaching Program (ETP).
Zatovo eo anelanelan’ny 13 ka hatramin’ny 20 taona, mianatra eny amin’ny liseam-panjakana sady avy amin’ny fianakaviana sahirana izy ireo. Misy 53 hafa mamarana ny fianarany amin’izao. Tanjon’ny tetikasa ny hanampiana ireo zatovo ireo hahazoany mianatra ny teny anglisy, izay hanokatra ho azy ireo varavarana hafa izay tsy ho azon’izy ireo velively. Mpianatra tanora Malagasy maherin’ny 256 no efa nahazo tombontsoa tamin’ity fandaharanasa vatsim-pianarana izay maharitra roa taona ity, hatramin’ny taona 2011 nanombohany. Hatramin’ny taona 2004 izay nisiany, dia mpianatra maherin’ny iray hetsy no efa nahazo tombony tamin’io fandaharanasa io tany amin’ny firenena miisa 85 maneran-tany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.