FIANARANA

MANAMORY FIARAMANIDINA


  • Alarobia 09 Septambra 2026

1 200.000 Ar no saran’ny

familiana ora iray, 70 ora no ilaina
Tsy mora ny mianatra ho mpanamory fiaramanidina eto amintsika. Sampam-pianarana tena mahaliana ny mpianatra izy io ankehitriny saingy tena mahaliana ihany koa ny vola aloha aminy raha te-hahatafita zanaka ny Ray aman-dReny iray. Amin’ny ankapobeny dia an-tapitrisa maro no lany, antony mahatonga ireo ankizy mpianatra mianatra sady miasa. Mahatratra 3 taona ny faharetan’ny fianarana, hahazoana ny mari-pahaizana licence. Ao anatin’io fe-potoana io dia sady manao teoria no manao pratika ihany koa ny mpianatra. Ho an’ny sekoly ambony ENEAM na ny Ecole Normale d’Enseugnement de l’Aeronautique et de la Meteorologie eny Ivato manokana raha araka ny fanazavan-dRanasitera Mahaliana, tompon’andraikitry ny serasera dia 40 ka hatramin’ny 70 ora no ilaina amin’ny fanaovana fampiharana momba ny familiana fiaramanidina. 1200.000 Ar isan’ora no saran’izany. Ankoatra io dia mitentina 8 tapitrisa Ar koa ny lela-vola ilaina amin’ny fanaovana ny teoria izay maharitra 10 volana eo ho eo. Tena volabe tokoa no lany hoy ity tompon’andrakitry ny serasera ity saingy tsy midoika izany fa ireo zanaky ny mpanam-bola ihany no afaka manovo fahalalana ao aminy. Afaka manao izany ihany koa ny zanaky ny sahirana hoy izy miankina amin’ny lela-vola eo am-pelatanany. Azo hatao tsara mantsy ny mamita ilay fianarana tsikelikely.
Pati
Legende : Izy no Ranasitera Mahaliana Malala, tompon’andraikitry ny serasera eo anivon’ny ENEAM !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

  • Politika ao Nosy Be Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manamafy ny fitakiana PDS ny ARMA

  • Valéry Ramonjavelo
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Voatsipaka ny fangatahana

  • LEHILAHY
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

NISY FOFON-TOAKA

  • Nomen’ny ONU
  • Alarobia 23 Septambra 2026

ny hajany i Madagasikara

  • JENERALY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

RAVALOMANANA RICHARD

Hijery ny tohiny
FTT