Tanora sembana miisa 52 mianadahy no nahavita fiofanana arak’asa tao amin’ny Ivontoeram-paritra fanofanana asa ireo olona marefo na CRFPPV (Centre Régional de Formation Frofessionnelle des Personnes Vulnérables)
Mangatokana Mahajanga. Andiany faha-4 izy ireo no navoaka ofisialy omaly rehefa avy niofana nandritra ny 10 volana ary afaka hiatrika asa avy hatrany hiala amin’ny fiankinan-doha. Ny informatika, ny zaitra, ny fanaovana mofomamy, ny fanodinana ny ronono ho vokatra hafa ary ny fiompiana akoho no nataon’izy ireo. In-droa isan-kerinandro, talata sy alakamisy, ny fotoam-pianarana. Niatrika ny lanonana tany an-toerana ny minisitry sy ny asa sy ny fiofanana arak’asa, Horace Gatien. Manao antso avo amin’ireo orinasa ny Lehiben’ny Faritra Boeny, Saïd Ahamad Jaffar, mba handraisan’izy ireo ny sembana eo amin’ny sehatry ny asa ho porofo fa tsy manilikilika ny manana kilema ara-batana ny fiarahamonina malagasy, indrindra ny eto anivon’ny Faritra.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.