Tonga naneho fisaorana manokana ny fiadidiana ny kaominina Antananarivo Renivohitra tetsy amin’ny lapan’ny tanànan’Analakely omaly ny solontenan’ny fianakavian’ny filoha teo aloha, Zafy Albert,
notarihin’ny mpikamban’ny kaomitin’ny fampihavanam-pirenena natsangany, Tabera Randriamanantsoa . Antony, anisan’ny toerana nirakitra fahatsiarovana maro ho an’ny filoha teo aloha Antananarivo ary nanome alalana malalaka tamin’ny fanatontosana ny fanaovam-beloma azy farany teto an-drenivohitra ny CUA. Nangataka tamin’ny ben’ny tanàna, Lalao Ravalomanana ireto solontena ireto ny hanaovana ny arabe manandrify ny Villa Elisabeth eny Ivandry ho lalana hitondra ny anaran’ny Profesora. Eo ihany koa ny hanaovana tsangambatom-pahatsiarovana manokana ity rain’ny demokrasia sy ny fihavanana ity ary ny hananganana karazana mozea hitehirizana ireo zava-bitan’ny filoha teo aloha, Zafy Albert. Nilaza ny avy eo anivon’ny CUA fa handinika ny tokony hatao.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.