FIANAKAVIAN’I LINAH, MATY TANY DUBAI

Tsy manam-bola hampodiana ny razana


  • Alakamisy 25 Aprily 2024

20 tapitrisa Ar be izao no saran’ny fampodiana ny vatana mangatsiakan’i Rasoarimalala Antoline,

fantatry ny maro amin’ny anarana hoe : Linah ilay tovovavy kely tera-tany Malagasy namoy ny ainy vokatry ny aretina efa nitaiza azy tany Dubai. Raha tsiahivina kely ny tantara dia avy any Sahamazava Andapa, Faritra SAVA ity tovovavy kely ity. Ny 21 Aprily lasa teo izy no namoy ny ainy izy ary mbola ao amin’ny tranom-paty ao amin’ny Iranian Hospital Satwa hatramin’ny omaly Alarobia 24 Aprily fotoana nanoratanay, raha ny vaovao azo. Mahatsiaro ho tena mangirifiry ireo fianakaviany vokatr’izany nefa tsy afa-manoatra ihany koa. Te- hanao antso avo amin’ny fampodiana ny vatana mangatsiakan-janany eto an-tanindrazana ireo fianakaviany ireo manoloana izany. Ahiana ho simba ihany mantsy ny razana, ny fotoana rahateo mandeha. Niasa moa no anton-dian-dRatompokovavy tany an-toerana fony fahavelony.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireo fianakavian-dRatompokovavy nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly ! 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT