Fianakavian’i Judicaël

«Mampalahelo fa nilalao aina ny hopitaly»


  • Alatsinainy 23 Jona 2025

Nodimandry ny sabotsy teo, tamin’ny 12 ora atoandro, tao amin’ny hôpitaly CHU-JRA Ampefiloha

koa i Judicaël, tovolahy 22 taona, Mister Analamanga tamin’ny taona 2022, isan’ireo nanatrika ilay fankalazàna tsingerintaona teny Ambohimalaza, Imerikasinina, ny herinandro teo. Olona miisa 22 moa, raha tsiahivina, no namoy ny ainy hatramin’iny sabotsy 21 Jona teo iny. Nitantara ny niainan’izy ireo teo am-piandrasana ity tovolahy ity tany amin’ny hopitaly, fony izy mbola notsaboina, moa ny fianakaviany ary naneho ny alahelony fa toy ny milalao aina ny hopitaly raha nampiandraikitra ireo mpitsabo mpiana-draharaha na «stagiaire» ny fikarakaràna ny havan’izy ireo. Nambaran’ireo solontenan’ny fianakaviana fa efa hitan’izy ireo ho nahatsiaro ho sempotra ilay marary ary efa manala seraoma mihitsy kanefa dia mbola toy ireny milalao ireny ihany ireto mpiana-draharaha ireto. Ny herinaratra koa moa tsy milamina hatrany ary tsy tomombana ihany koa, araka izany, ny famatsian-drivotra na «oxygène» ho an’ilay marary. Tsy tana vokatr’izany rehetra izany ny ain’ny havanay, hoy hatrany ireto havan’ny maty ireto nanao antsoavo miantefa amin’ireo tomponandraikitra eo anivon’ny fitondràm-panjakàna hanara-maso ny fandraisana an-tanana itony marary eny anivon’ny hopitalim-panjakàna itony. 
Nangonin’i J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT