Actualités

FIANAKAVIANA Dr LAIVAO MICHEL VICTORIE NOTAFIHANA JIOLAHY NIRONGO BASY, LASA NY VOLA…


  • Zoma 18 Jolay 2014

Tsy mbola misy mangirana ny raharaha Dr Laivao Michel Victorie na efa nisy aza ny fiakaran’ny raharaha fitsarana ady heloka tamin’ny famonoana azy roa taona lasa izay. Ny alarobia tokony ho tamin’ny 12ora antoandro dia nisy nanafika indray ny vady aman-janany mivarotra ao Ambohijafy atsimo

. Misy ifandraisany tamin’ny raharaha roa taona lasa sy ilay raharaha fitsarana mbola hitadiavana ireo olona tsy nipoitra nandritra ny fitsarana ady heloka, ary nampigadra azy ireo 8 taona sy herintaona an-tranomaizina asa an-terivozona ve izao fanafihana ny vady aman-janany izao ? Araka ny fanazavana azo dia bandy telo lahy samy nirongo basy PA no niditra tamin’ny fivarotana nandroaka ny vola maty ny maraina tontolo. Avy hatrany dia voambana basy sy efa saika hamono ny vadin’i tompokolahy Dr Laivao Michel Victorie sy ny zanany vavy kely izay efa niaraka taminy nandritra ny fakana an-keriny sy ny famonoana azy mihitsy ireto jiolahy. Tsy nahatohitra noho zava-nisy Rtoa Laivao ka nampirisika ireto jiolahy hanao izay tiany atao tamin’ireo entana sy ny vola tao am-pivarotana. Vao nahazo ny nilainy ireo jiolahy dia nitsoaka tamin’ny moto scooter, ka teo vao nipoitra ny faha-4 tamin’izy ireo izay natao mpiandry moto nandritra ny fanafihana. Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro ny filaminana ny raharaha. Ity izany no fanafihana faha-2 nataon’ireto jiolahy andiany 4 ireto ny tranombarotra, satria efa notafihan’izy ireo koa ny tranombarotra Sinoa tao bazary be ny talata teo.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT