FIANAKAVIAN'I HAINGOTIANA

Misafidy ny hangina aloha


  • Talata 25 Aogositra 2026

Manoloana ireo resaka marobe

eny amin'ny tambazotran-tserasera Facebook dia fantatra fa nisafidy ny hangina aloha ireo fianakavian'i Rasamison Vololoniaina Haingotiana, iray amin'ireo tovovavy kely nisy namono tamin'ny fomba feno habibiana, hita faty teny Ambohimanga Rova, ny Alahady 23 Aogositra teo. Mbola am-bohitra rahateo ny razana hoy izy ireo ary mbola mafana tanteraka ny ratram-po. Niala tsiny betsaka tamin'ireo mpanao gazety marobe tonga tany aminy mba hanao fanadihadiana sy "interview" araka izany izy ireo omaly saingy nolaviny. Tsy sanatria manao tsinontsinona anareo akory tompoko fa araky ny voalaza ery ambony dia nisafidy ny hangiana mihitsy aloha izahay. Ankoatra izay manentana ireo mpisehatra rehetra amin'ny tambazotran-tserasera Facebook izy ireo mba ho mailo manoloana ireo vaovao isan-karazany izay miparitaka. Be loatra mantsy ireo zavatra diso na mety koa iniana disoina, na vaovao tsy misy porofo, ka vao mainka mety hanasarotra kokoa ny fanadihadiana izay hataon'ny mpitandro filaminana hoy hatrany ity fianakaviana ity. Rahampitso Alarobia 26 Aogositra moa no fantatra fa hoalevina eny Ambohidrabiby ny nofo mangatsiakan-dRatompokovavy, aorian'ny fotoam-pivavahana hanomezam-boninahitra an'Andriamanitra hotontosaina ao amin'ny fiangonana FJKM Ambohidrabiby ihany.
Nangonin'i Pati
Légende : Ratompokovavy fony fahavelony !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

  • Politika ao Nosy Be Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manamafy ny fitakiana PDS ny ARMA

  • Valéry Ramonjavelo
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Voatsipaka ny fangatahana

  • LEHILAHY
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

NISY FOFON-TOAKA

  • Nomen’ny ONU
  • Alarobia 23 Septambra 2026

ny hajany i Madagasikara

  • JENERALY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

RAVALOMANANA RICHARD

Hijery ny tohiny
FTT