Actualités

Fianakaviamben’ny polisim-pirenena Namboly zana-kazo marobe ny tao Bongolava


  • Alatsinainy 13 Febroary 2023

Ny alakamisy 02 febroary 2023 no notanterahina ny fanokafana amin'ny fomba ofisialy ny fambolen-kazo tao amin'ny faritra Bongolava ka nandraisan'ny Polisy anjara mavitrika niarahana tamin'ireo sampan-draharaha maro samihafa

teny Antsapanimahazo, kaominina ambanivohitr’i Tsiroanomandidy fihaonana sy kaominina ambonivohitr’i Tsiroanomandidy. Ny sabotsy 04 febroary 2023 kosa no nanatanterahan'ny fianakaviamben'ny Polisim-pirenena miasa ao Bongolava, ny FIVAPOVA ary ny zanaky ny Polisy ny anjara birikiny tamin’izany ka zanakazo miisa 500 fototra no novoleny. Tonga maro ny polisy sy ny vady aman-janany niaraka tamin'ireo teknisiana ao amin' ny DREDD. Nofaranana tamin'ny fiaraha-misakafo sy lanonana tsotsotra tao anaty ala mahafinaritra ny lanonana. Ny Alakamisy 09 Febroary teo indray moa dia niverina teny amin'ny amin’ny toerana telo misy ny zanakazo namboleny ny polisim-pirenena tao Bongolava, zana-kazo novolena tamin’ny tany mirefy 500m tamin'ny taona 2021 . Nijery ny fivoaran'ny zanakazo izy ireo nandritra izany. Hitohy any amin’ny distrikan’Andapa ny hetsika tamin’ny 10 sy ny 11 febroary teo.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT