Actualités

Fianakaviamben’ny mpanao gazety Avoahy i Arphine !


  • Alatsinainy 06 Aprily 2020

Manoloana ny fanambarana nataona tompon’andraikitra iray eo anivon’ny rantsana miady amin’ny “cybercriminalité”

 

 

eo anivon’ny Minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina mahakasika ny fanenjehana an’i Arphine Rahelisoa, dia nisy ny fanambarana sy fitakiana nataon’ny Fianakaviamben’ny mpanao gazety tarihin’ny holafitra (OJM) omaly. Nanamafy ny OJM fa tena mpanao gazety ara-dalàna i Arphine Rahelisoa. Nohamafisina ny fanamelohana ny fitazonana sy ny fanagadrana, izay manohintohina ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety sy ny fanehoan-kevitra, izay arovan’ny andininy faha-10 sy faha-11 amin’ny lalàmpanorenana tamin’ny 11 desambra 2010. Manohintohina ihany koa ny andininy faha-19 amin’ny fanambarana maneran-tany momba ny zon’olombelona ary ny lohateny faharoa amin’ny andininy faha-5 sy faha-6 amin’ny lalàna 2016-029 mifehy ny haino vaky jery. Misy ny fitazonana an-keriny, ka takiana ny famoahana haingana sy tsy misy fepetra, hoy ny fanambarana nosoniavin’ny Filohan’ny OJM Atoa Gérard Rakotonirina omaly 5 aprily. Notsipihin’ny OJM, fa mbola manohy ny asany ireo mpikamban’ny OJM mandra-pahavitan’ny fifidianana, ka niditra an-tsehatra amin’ity raharaha ity. Mahakasika ny karatra maha matihanina, dia notsindrian’ny OJM fa maro amin’ny mpanao gazety no tsy manana karatra afa-tsy ny avy amin’ny orinasa mampiasa azy, ary nanomboka ny 2017, taorian’ny fanambarana olana nifandroritana tamin’izany ka nisy ny famondronan-kery niraisan’ny orinasan-gazety nanda ny fomba fitsinjarana ilay karatra nandalo fankatoavan’ny minisitera tamin’izany. I Arphine Rahelisoa izay Talen’ny Famoahana ny Gazety Valosoa Vaovao, dia nohamafisin’ny OJM fa tena mpanao gazety izy, ary manao izany asa izany, misoratra amin’ny “ours”. Mametraka ara-dalàna ny ny gazety any amin’ny “depot legal” eo anivon’ny Minisiteran’ny atitany.

NY 2015 NO NISY MPANAO GAZETY NOTANANA AM-PONJA FARANY

 “Tamin’ny 2015 no nisy mpanao gazety notanana am-ponja vonjimaika farany. Izao izany isika ao anatin’ny fahalalahan’ny mpanao gazety”, hoy Atoa Gérard Rakotonirina ny sabotsy teo. Tsy dia tena hita hitako loatra hoe tena nisy fanalam-baraka ny filoha ve, ary nisy faniratsirana sy fanaratsiana azy hankahalain’ny vahoaka marina ve? Tadidio fa 6% fotsiny no tafiditra ao anaty facebook fa tsy i Madagasikara iray manontolo. Voatohintohina tanteraka ny asa fanaovan-gazety, ary ahiana hanjaka eto ny hevitr’olon-tokana, hoy izy. Iny aloha no tratra fa rahampitso mety ny hafa indray. Potsiro izay tsy rariny rehetra ka hananantsika porofo, fa izay no adidintsika amin’ny firenena, hoy ity Filohan’ny OJM ity nanafatra ireo mpanao gazety. Niara-nirohotra teny Anosy sy Antanimora naneho firaisankiana moa ny mpanao gazety maro notarihin’ny Biraon’ny OJM ny sabotsy teo.

 

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT