Fiampitana mankany

amin’ny angovo maharitra


  • Talata 30 Jona 2026

Mahavelom-panantenana ny tetikasa FIER

Nahazoana vokatra tsara sy manan-danja taorian’ny 4 taona nampiharana azy ny tetikasa FIER na "Famatsiam-bola mitambatra ho an'ny angovo maharitra". Noho ny fisian'ny Derisking Facility, ny fandraisana andraikitra mitentina 1,86 tapitrisa dolara dia nahafahana nanentana fampiasam-bola mihoatra ny 4 tapitrisa dolara ho an'ireo tetikasa angovo misy fiantraikany lehibe any amin’ny fiainan’ny mponina sy ny isan-tokantrano. Natomboka tamin'ny taona 2022 niaraka tamin'ny fanohanan'ny Joint SDG Fund, ny tetikasa FIER ary novolavolaina mba hanetsehana famatsiam-bola vaovao, hampihenana ny loza mety hitranga mifandray amin'ny fampiasam-bola ary hampiroboroboana ny fandraharahana eo amin'ny sehatry ny angovo maharitra.Nisy moa ny lanonana fampahafantarana ny vokatry ny tetikasa iraisana "Famatsiam-bola mitambatra ho an'ny angovo maharitra" (FIER) izay nokarakarain’ny Governemanta Malagasy miara-miasa amin'ny Rantsana Ambonin'ny Firenena Mikambana eto Madagasikara. Ity fihaonana ity dia mampivondrona ireo mpisehatra rehetra tamin'ny tetikasa, indrindra fa ireo mpiara-miombon'antoka ara-panjakana, ny mpiara-miombon'antoka ara-teknika sy ara-bola, ireo mpisehatra amin'ny sehatra tsy miankina ary koa ireo nisitraka ny fandaharana, mba hanasongadinana ireo zava-bita nandritra ny efa-taona niasana ho an'ny fidirana amin'ny angovo maharitra eto Madagasikara. A ENCADRER Tetikasa FIER
 Fianakaviana nahazo herinaratra avy amin’ny mini-réseaux: 550
 Tambajotra nanoréseaux : 800
 Fianakaviana voakasika : 3344
 Tokantrano nahazo kits Solaires : 16 200
 Start-up sy orinasa madinika nahazo tohana ara-bola (5000 dolara tsirairay avy) : 15
Nangonin’i RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

  • Politika ao Nosy Be Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manamafy ny fitakiana PDS ny ARMA

  • Valéry Ramonjavelo
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Voatsipaka ny fangatahana

  • LEHILAHY
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

NISY FOFON-TOAKA

  • Nomen’ny ONU
  • Alarobia 23 Septambra 2026

ny hajany i Madagasikara

  • JENERALY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

RAVALOMANANA RICHARD

Hijery ny tohiny
FTT