Actualités

Fiampitana amin’ny angovo azo havaozina


  • Talata 25 Aprily 2023

Mila 1000 miliara dolara ireo firenena mahantra

Ny fiampitana ara-angovo na « transition énergétique » any amin’ny firenena sahirana na andalam-pandrosoana dia mila fanavaozana ara-potodrafitrasa raha ny sehatry ny herinaratra, ary mila mandalo amin’ny fiakaran’ny fahombiazana ara-angovo sy angovo azo havaozina, miroso amin’ny fampihenana tsikelikely ny famokarana miainga amin’ny “charbon”, raha ny fijerin’ny Banky Iraisam-pirenena. Misy ny karazana tondrozotra vaovao tolo-kevitr’io rafitra ara-bola maneran-tany io antsoina hoe : « scaling Up to Phase Down », izay torolalana hamantarana ny fahasarotana eo amin’ny famatsiam-bola sy ny famolavolana fomba fijery mivelatra hisorohana izany. Raha ny fijerin’ny Banky Iraisam-pirenena, ny firenena kely fidiram-bola na salantsalany izay ahitana ny 89% ny famokarana angovo mandeha amin’ny akora « charbon » eto ambonin’ny tandy dia tandindonin-doza amin’ny hitsaharany, ary tombanana ho hatrany amin’ny 1000 miliara dolara ny fampiasam-bola hiatrehana izany. Heverina fa tsy mifankaiza amin’izany ny olan’i Madagasikara izay mbola ny 70 na 80% eo amin’ny toby famokarana no mbola mandeha amin’ny solika, ary io iaraha-mahita io ny zava-misy ankehitriny. Mila volabe ny fivadihana amin’ny angovo azo havaozina, saingy mihazakazaka izany any amin’ny firenena mandroso, izay tafiditra ao anatin’ny fikajiana ny tontolo iainana, hampihenana ny entona mangeja ihany koa. Mandrisika ary manohana ny fanafainganana ny fiovana ara-angovo makany amin’ny loharanon’angovo izay kely ny entona mangeja ny Banky iraisam-pirenena tamin’ny alalan’ny Filohany David Malpass. Mila hamoraina ny famatsiana ireo orinasa fa indrindra ireo tokantrano tsotra tsy afa-misitraka herinaratra mila pitsopitsony ara-pamatsiam-bola mba hampihenana ny entona manimba ary voaporofo, ka voalaza fa mandrisika ny sehatra tsy miankina sy manokana volabe amin’izany sehatra izany ny Banky Iraisam-pirenena. Raha ho antsika eto Madagasikara kosa, eo anatrehan’ny olana ara-angovo ankehitriny, maro amin’ireo manam-pahaizana ihany no mandrisika sy mametra-panontaniana hoe : inona tokoa no tsy hitrandrahantsika ny « charbon de terre » ao Sakoa sy hananganantsika toby mpihary herinaratra mihodina amin’ny alalan’izany ? Sa noho ny olana ara-bola hoenti-manao izany sy ny efa fialana amin’io endri-pamokarana io eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT