Voasambotry ny Polisy ny zoma teo teny Soamanandrariny ny olona telo mianaka saika hamono ho faty ny vinantolahiny.
Nametraka fitoriana ity farany fa niray tsikombakomba saika hamono azy ny rafozambaviny sy ny zaodahiny ary ny anadahin’io rafozany io. Nanambatra vola izy telo mianaka ireto ka 10 tapitrisa Ar ny fitambarany, hanakaramana olona hamonoana ity vinantony. Lehilahy iray no nifanaraka tamin’izy telo mianaka fa hanatanteraka ny famonoana ka eny Ambohimailala no toerana hanaovana izany. Efa nandray “Avance” iray tapitrisa Ariary ity lehilahy ity ka ny ambiny 9 tapitrisa Ar kosa dia horaisina rehefa vita ny asa. Lasa nanatona ilay Vinantolahy anefa ilay olona nokaramaina nilaza taminy ny fikasan’izy telo mianaka. Nifanaraka ny roa tonta fa hofandrihana izy telo mianaka ka mody hotanterahana ny famonoana. Ny alakamisy 12 jona teo no nifanarahana fa hatao ny famonoana. Nifamotoana teny Ambohimailala ny mpamono sy ilay vinantolahy hovonoina. Natao nitsirara tao anaty bozaka ilay vinantolahy nanao sarimaty. Niantso azy telo mianaka tamin’ny finday ny mpamono nilaza fa vita ny iraka nampanaovin’izy ireo ka tongava ianareo mijery ny razana. Tonga teny an-toerana ry zareo nijery, nandalo fotsiny nanamarina fa tsy sahy nijanona maharitra noho ny tahotra ka rehefa nahita ilay vinantolahy nitsirara tao anaty bozaka dia lasa. Ny anadahin’ilay Rafozam-bavy avy eo no nanatitra ny ambim-bola tany amin’ireo mpamono. Taorian’izay tranga izay dia nampiditra fitoriana ilay vinantolahy ka nosamborina ny zoma teo izy telo mianaka. Niaiky ny heloka nataony izy ireo. Noho ny fialonana no antony saika hamonoan’izy ireo ity vinantolahiny. Samy mpivarotra friperie ry zareo. Rehefa maka entana ity vinantolahy ity, avy hatrany dia mandoa vola ka mahazo mora ary afaka mivarotra mora. Izy telo mianaka kosa manao trosa ka tsy mahazo tombony firy. Nolazain’izy ireo ihany koa fa manalabaraka azy ireo ity vinantolahiny ity fa milaza azy ireo hoe tsy mahaloa trosa sy mpanodinkodina entana. Natolotra ny fitsarana ny sabotsy teo izy ireo, ary notanana am-ponja vonjimaika.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.