Fialàn-tsasatry ny noely

Ny fiainana miha lafo, ny ankizy tsy maintsy ampifaliana


  • Alatsinainy 23 Desambra 2024

Sahiran-tsaina ny ankamaroan’ireo ray aman-dreny ao anatin’izao fidirana amin’ny fialàn-tsasatry

ny noely sy ny fankalazàna ny taom-baovao izao. Ny fiainana miha lafo, ny ankizy tsy maintsy ampifaliana nefa, hoy ny fanehoan-kevitra. Tsy azoko, hoy ny raim-pianakaviana iray, izao hoe inona no antony mahatonga ny vidin’ny atody ho 1000 Ariary ny singany. Ny vatombatony amin’ny akoho no efa 24.000 Ariary raha toa ka 40.000 ny reny akoho. Mba te hiezaka hampiaina ireo zanaka fetin’ny noely sy taom-baovao, fara faha keliny, tsy miova amin’ny fanao isan-taona nefa. Ny tena faniriana aza dia hoe tsara kokoa noho ny hatramin’izay aza ny fankalazàna amin’ity saingy ny olana goavana dia izay hoe tsy mitsaha-miakatra ny vidin’ireo filàna an-davan’andro, indrindra, ny ara-tsakafo sy zava-pisotro hatramin’ny kilalao, hoy hatrany ny angom-baovao.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT