FIALAN-TSASATRA LEHIBE

Ny 10%-n’ny Malagasy no afaka miala sasatra raha misy


  • Zoma 19 Jolay 2024

Tsy misy manana teti-bola manokana hiatrehana ny fialan-tsasatra lehibe ny ankamaroan’ny

tokantrano Malagasy. Tato anatin’ny 5 taona izao no efa nahitana taratra izany vokatry ny hasarotan’ny fiainana sy ny halalin’ny fahantrana mihatra amin’ny isam-baravarana. Ny fitadiavana ny hanin-kohanina isan’andro no tena mandany fotoana ny Renim-pianakaviana sy ny Raim-pianakaviana arahin’ny efa fanomanana sahady ny fidiran’ny mpianatra indray. Vao tapitra tokoa mantsy ity volana Jolay ity dia tsy manana afa-tsy volana Aogositra sisa ny rehetra hiatrehana izany. Ny 10%-n’ny Malagasy sisa vokatr’izany no mba afaka miala sasatra raha misy. Ireo efa nanao boatin-drakitra nandritra ny taona iray ny ankamaroan’ireo ankoatra ireo nahita lalam-bola hafa tampoka dia mba handeha hiala sasatrakely. Raha kely tokoa mantsy dia mila manana 3 tapitrisa Ar eo ho eo ny olona 5 mianaka raha hijanona ao Mahajanga mandritra ny 10 andro. Tafiditra ao anatin’io lela-vola io ny soliky ny fiara hoentina, ny hofan’ny trano hipetrahana, ny sakafo eny an-dalana ary koa ny filana rehetra any an-toerana. Ampy tsara tsy mihafihafy raha io 3 tapitrisa Ar io no voahangona. Tsy ny rehetra anefa no hanana izany amin’ny ankapobeny. Mitohy hatrany ny ady amin’ny fiainana noho izany ho an-dRamalagasy na dia efa mahatsiaro tena ho reraka sy miraviravy tanana aza. Misy amin’ireo tokantrano Malagasy moa no mbola tsy nahita ranomasina mihitsy na nahita ihany ny sasany fa tany amin’ny 5 taona lasa no farany.
Pati
Legende : Ireo mpanao varo-mandeha no mbola betsaka mameno ny fiara miazo ny faritra amin’izao !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT