Vaovao ratsy ho an’ireo mpanjifa mieritreritra ny hiala sasatra any amin’ireo faritra maro manerana ny nosy iny fanapahan-kevitry ny fikambanan’ny mpitatitra nasionaly sy rezionaly hampakatra ny sarandŕlana ho 13% ato ho ato iny
Nampihemotra ny ampahany betsaka amin’ireo fianakaviana te hanao vakansy any amoron-dranomasina ilay fanambarana tsy nampoizina nataon’ny fivondronan’ny mpitatitra any amin’ny faritra sy faritany. Tsy vitsy ihany koa ireo nanafohy ny fotoam-pialan-tsasatra ivelan’ny renivohitra nataony. Maro tamin’ireo fianakaviana mantsy no efa nanomana izany dia izany efa amam-bolana maro tamin’ny saram-pitaterana teo aloha.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.