Actualités

Fiakaran’ny reniranon’i Sisaony Hisy famindran-toerana faobe noho ny loza manambana


  • Zoma 27 Janoary 2023

Namoahana fampitandremana sy fampiomanana tamin’ny alalan’ny filazana loza manambana ny faritra maro amin’ny lemak’Antananarivo izay lalovan’ny reniranon’i Sisaony.

Niakatra be mantsy ny rano, nahatratra 2,68 m ny haavon’i Sisaony teo Ampitatafika omaly alakamisy 26 janoary 2023, rahatoa ka 2,50 m no fetra manomboka hanambarana fa misy ny loza manambana, araka ny mari-pandrefesan’ny APIPA (Autorité pour la protection contre les inondations de la plaine d’Antananarivo). Novinavinaina hidina ihany anefa io tao anatin’ny 12 ora, saingy niaraha-nahita ny mbola fitohizan’ny rotsak’oranaHo an’Ikopa kosa, teo amin’ny 1,17m ny haavony teo Anosizato, 2,37m teny Ambohimanambola, ary 3,86m kosa teny Bevomanga. Rehefa tonga eo amin’ny 3,00m ny haavony eo Anosizato, 3,50m ny eny Ambohimanambola, ary 4,00m ny eny Bevomanga no tafiditra ao amin’ny loza manambana ny reniranon’Ikopa. Noho ny fiakaran’i Sisaony, kaominina 18 no voakasika mivantana ary nahazo fampitandremana : Tsiafahy, Antsahadinta, Bongatsara, Antanetikely, Ambohijoky, Alatsinainy Ambazaha, Ampahitrosy, Soalandy, Ampanefy, Soavina, Anosizato Andrefana, Ampitatafika, Ambahavahaditokana, Fenoarivo, Itaosy, Ambohitrimanjaka, Fiadanana, Ampangabe.
FAMINDRANA OLONA FAOBE
Mifandraika amin’io, nisy ny fivoriana maika hoan’Analamanga tety amin’ny BNGRC Antanimora omaly tolakandro ho fiomanana ny amin’ny fandrindrana ny famindrana olona faobe eny amin’ny toerana rehetra izay hita fa iva amin’ny faritra andalovan’i Sisaony dia ny eny amin’ny Distrikan’ Atsimondrano sy ny manodidina izany. Fivoriana izany notarihan’ny Tale Jeneraly sy Tale Jeneraly lefitrin'ny BNGRC ary natrehan’ireo tompon’andraikim-panjakana isan-sokajiny. Noresahina sy notapahany tao anatin’izany ny pitsopitsony rehetra ara-teknika izay ilaina mahakasika ny famindrana faobe (ny toerana hifindrana) dia ireo filàna fototra (rano , toeram-pidiovana sy fivoahana ; latrine,…) , ny fiambenana ny teorana hialana sy toerana hifindrana sy ireo fitaovana maro isan-karazany (fiara, mégaphone…).
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT