Sambany mba samy hafa ny vidin’ireo solika eny amin’ireo tobim-pamatsiana avy amin’ireo kaompania mpaninjara miisa 4 izay niakatra tsy an-kiteniteny ny alin’ny alahady hifoha alatsinainy lasa teo
. Hatrizay tokoa mantsy na dia napetraka mazava aza ny lalàna mifehy ny fifaninanana dia tsy voahaja mihitsy izany satria dia nitovy hatrany ny vidim-bokatra naroson’ireo orinasa mpizara solika ho an’ireo mpanjifa azy ireo manerana ny nosy. Voalaza matetika ihany koa tao anatin’ny taona vitsivitsy fa tsy maintsy apetraka ny vidim-bokatra tena marina. Ny zava-misy aloha hatreto dia tsy mbola tonga amin’ny tanjona tiana hotratrarina amin’ny fametrahana ny tena vidin-tsolika ifanarahan’ny sehatra iraisam-pirenena isika eto Madagasikara. Tsy misy fanazavana marim-pototra rahateo avy amin’ny mpitondra fanjakana sy ireo mpiara-miombon’antoka miara-miasa amin’ny firenena Malagasy momba ity antsoina hoe «vérité des prix» ity. Tsy mahataitra intsony ny mpampiasa solika toy ireo mpitatitra moa ity fiakarana tsy misy farany ity. Ny fantatr’izy ireo dia sady tsy mihaino ny hetahetan’ny vahoaka ny mpitondra manampahefana no mpanapa-kevitra be fahatany fotsiny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.