Nambarana manamboninahitra iray tao amin’ny tambajotran-tserasera ny ahiahiany momba an’i Zoto 5 mianaka izay sao sanatria ho mpisoloky i Zoto mampiasa ireo zaza mba hitserana azy?
Nofafany anefa izany, saingy mbola nandeha ny kihana ho azy tany anaty pejy hafa, ka niditra an-tsehatra izy. Maro ny olona nanana ahiahy amin’ny sao dia mety hanaovana fitaovana ireo zaza ireo. Nisy mihitsy ny nilaza fa ajanony fa “maltraitance” na karazana fitondrana tsy am-pahamendrehana ireo zaza ka andao atero izy ireo ho an'izay manam-bola na fiara, hoy ny fanehoan-keviny. Raha fitserana ireo zaza tokoa mantsy izay tsy misy mpitaiza intsony satria maty ny raibe nitaiza no nolazainy hoe nangalany azy, dia malahelo ho azy an'ireo zaza ianao. Mbola nentiny lavitra be noho ny lalana miverina izy ireo. Ny zavatra tsikaritra eny an-dàlana, dia ny olona no midera ny finiavana hananan’izy ireo ao anatin’ilay hoe: “Tour de Mada”, ka misy ny manome zavatra, misy ny manampy. Tsy ifanomezan-tsiny ihany koa anefa ny ahiahy. Na izany aza, sao misy ifandraisany amin’ilay satroka “casquette” nanaovan-dry Zoto noho ny tonga teto Antananarivo nisy ny sarin’ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana ny endrika fanomezan-tsiny na fanaratsiana azy ? Mbola hihazo an'i Mahajanga mialohan'ny hodiany any Antsiranana moa ry Zoto mianakavy saingy tsy maintsy mbola miandry ny valin'ny fitiliana Covid 19 vao afaka mandao an'Antananarivo.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.