FIAINAN-TOKANTRANO T

okony hifanampy foana ny lahy sy ny vavy


  • Alarobia 29 Janoary 2025

Tokony hifanampy hatrany ny lahy sy vavy ao anatin’ny tokantrano raha tiana ny

hisian’ny fandrindram-piainana sy ny filaminana. Izay tsy mahay sobika mahay fatram-bary hoy ny Ntaolo ka izay tsy vitan’ny iray mba tokony ho vitan’ny iray kosa. Arahin’ny firaisan-tsaina izany indrindra amin’ny fiatrehana izao hasarotan’ny fiainana lalovantsika izao mba hisian’ny fahombiazana ao anatin’ny tokantrano. Lohalaharana amin’ireny ny fifanohanana ara-tsaina, ny fiaraha-mitondra izay mavesatra, ny fifampaherezana raha tojo fahombiazana….Notsiahivin’ny Pastera Dyna Trimozafy fa na inona na inona zava-misy hiainana dia tokony hahay hifankatia sy hifanohana hatrany ny mpivady. Ny lahy tokony ho tia ny vavy ary ny vavy kosa tokony hanaiky ny lahy, araka ny tenin’Andriamanitra. Na dia mihazakazaka aza ny fandrosoana ateraky ny fivoaran’ny teknolojia raha ny nambarany dia fanekena efa natao teo anatrehan’Andriamanitra ny tokony hitiavana ny vady. Tokony hisy hatrany ny fotoana hifampiresahana ao an-tokantrano ao fa tsy variana amin’ny fampiasana finday…Mampihemotra ny fiainam-panambadiana izany hoy Pastera Dina Ratrimosafy. Ny manodidina rehetra mantsy hoy izy mety ho levona fa ny vady mitoetra eo foana.
Pati
Legende : Olombelona roa natao hifanampy ny mpivady !
+++ 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

  • Tontolo iainana,
  • Talata 05 Mey 2026

tanora, angovo azo havaozina

  • Alaotra Mangoro
  • Talata 05 Mey 2026

Misokatra ny taom-piotazana,

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

Hijery ny tohiny
FTT