Actualités

Fiainam-pirenena Ny fahashiana mijoro no tena fitiavan-tanindrazana


  • Alakamisy 30 Martsa 2023

Mipetraka foana ny tantara eny fa na maro amin’ny taranaka aty aoriana aza nomanadino izany.

tsy misy mampatsiahy ary adino ireo zava-nitranga tamin’ny Malagasy izay nitondran’ny razamben’ny Malagasy ny mangidy. Lasa voavoly tamin’ny saintsika Malagasy ny fifankahalana eo amin’ny mpiray tanindrazana. Fanavakavahana amin’ny samy Malagasy no nitranga ka vao miha nahazo vahana ny mpanjanaka ary tanteraka ilay fiteny hoe :zarazarao anjakana. Manjaka loatra ny fifanandrinana sy ny tsy fahaizana miray hina kanefa hoe mandalina ny fihavanana toa lasa kobaka am-bava fotsiny izany indraindray. Tsy mety tonga saina isika Malagasy hatramin’izay ka hatramin’izao amin’ny hoe tokony hiray hina. Tsy atao mahagaga noho izany raha voazanaka sy lasan’ny vazaha ambongadiny fotsiny ny firenentsika. Rahoviana isika Malagasy vao hitovy amin’ireo firenena Afrikanina niady mafy ho an’i tanindrazany ka nahavita tanteraka nandroaka ireo Frantsay rehetra tao aminy, nakatona tanteraka hatramin’ny masoivoho Frantsay tany aminy. Vitan’izy ireo tanteraka ny nanala ny rafitra napetraky ny Frantsay tao aminy teo amin’ny fampianarana sy ny toekarena. Rahoviana isika Malagasy vao hanana fahasahiana tsy hanao kobaka am-bava fotsiny fa te ho sahy mijoro, sy hanova ny tantara tahaka ny nataon’ireo mahery fo antsika 76 taona lasa izay. Tsy eritreritra fotsiny fa arahana asa, ho an’ny tanindrazana sy ny taranaka.
Princy Lucas
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT