Fiahiana ny mpandraharaha anatiny

Tsy vitan’ny fampidinana vidin-tsolika


  • Alarobia 22 Janoary 2025

Tsy vitan’ny fampidinana vidin-tsolika ny atao hoe fiahiana ny mpandraharaha anatiny eto Madagasikara,

raha ny fanazavàn’ireo mpandraharaha isan-tsokajiny na madinika io na salantsalany na vaventy. Azo lazaina ho niatrika fahasahiranana goavana ireo mpandraharaha tato anatin’ny taon amaro ary isan’ny olana tao anatin’izany ny famerana ny fahafaha-manafatra entana avy any ivelany, hoy ny fanazavàna. Eo ny resaka hoe tsy mihoatran’ny 10.000 Dolara no vola azo ampiasaina amin’izay lafiny izay nefa na ny ofan’ny kaontenera hitaomana ireo entana fotsiny aza no efa 3500 Dolara fara faha morany. Na ny tetibola natao ho an’ireo mpizahantany aza, hoy ny mpandraharaha malagasy sasany, mbola mihoatra an’io 10.000 Dolara io rehefa mijery ny zava-misy any amin’ireo firenen-kafa. Nisy moa ny antso miantefa any amin’ny fitondràm-panjakàna malagasy ny amin’ny tokony hijerena izay azo atao hanalefahana izay fahafaha-manondrana sy manafatra entana any ivelany izay ho an’ireo mpandraharaha malagasy ka andrasana hatrany hatreto ny valiny mahafa-po mahakasika izany avy amin’ireo tomponandraiki-panjakàna voakasika, raha ny fampitam-baovao voaray hatreto aloha.
Nangonin’i J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT