Tsy mbola manana politika mazava i Madagasikara raha ny fiahiana ny ara-tsosialin'ny mponina no asian-teny, hoy ny minisitry ny mponina Johasy Eléonore. Hatreto, hoy izy, dia tsy voafaritra marina ny ilana hanaovana ezaka sy ny hatao
. Ankoatra izay dia mbola vao ny 2,1%-n’ny vola tokony hampiasaina hanaovana izay asa izay no voaangona. Nilaza ny minisitra fa efa nanana ny fomba fijeriny ny minisitera nanomboka ny taona 2004 ka hatramin'ny 2007. Na izany aza anefa dia mbola miezaka manangona ireo tolo-kevitra rehetra mba hahatrarana ny tanjona. Ho azy manokana dia miisa telo ireo tena laharam-pahamehana ao anatin'izany fiahiana ny ara-tsosialin'ny mponina izany. Voalohany ny fiahiana ara-tsosialy ho an'ireo olona tsy an'asa, ireo tsy manam-piahy, faharoa ny fiarovana ny zon'olona voasokajy ho marefo ary ny fahatelo dia ny fampirisihana ny sarambabem-bahoaka mba handray andraikitra.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.