Tompon’andraikitra maro ahitana olom-boafidy sy olom-boatendry, ny mpampiasa ary ny mpiasa miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana any amin’ny distrikan’i Mandritsara no miatrika ny fiofanana karakarain’ny CNaPS nandritra ny telo andro.
Fiofanana izay miompana indrindra amin’ny fanazavana ny asa sahanin’ny Tahirim-pirenena momba ny fiahiana ara-tsosialy. Teboka maro no novelabelarina nandritra ny atrikasa toy ny lalàna mifehy ny asa, ny fitsipika mifehy ny mpampiasa sy ny mpiasa, ny loza eo am-perinasa izay vitsy mpahalala raha mihoatra amin’ny fisotroan-dronono sy ny volan-jaza ary ny volan’ny bevohoka. Samy resaka zon’ny mpiasa izany rehetra izany. Nitarika ny fiofanana ny talen’ny masoivohon’ny CNaPS Antsohihy Atoa Rasamizafy Marc izay nanambara fa « efa fanaon’ny CNaPS ny manao fiofanana avy amin’ny alalan’ny sampandraharahan’ny ara-pahasalamana sy ara-tsosialy na ny SASS isan-taona ka ny tanjona dia ny fampahafantarana ireo mpampiasa ny adidiny amin’ny fanefana ny latsakemboka satria raha tsy manao izany izy ireo dia ho very zo tanteraka ireo mpiasa ao aminy. Nambaran’ny Ben’ny tanàna ambanivohitra Mandritsara Rasolofondradonga Gérard fa resy lahatra amin’ny ezaka ataon’ny CNaPS amin’ny fiahiana ny ara-tsosialim-bahoaka ny tenany ary vonona ny hiara-kiasa.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.