Na dia lavitra sy saro-dalana aza i Tanambe dia tsy nanakana ny CNaPS ho tonga tany an-toerana izany.
Ao anatin’ny distrikan'Amparafaravola faritra Alaotra no misy ny kaominina Ambanivohitra Tanambe. Ny fambolena vary no foto-piveloman’ny mponina, izany hoe tantsaha ny ankamaroany. Koa araka ny vinan’ny CNaPS moa dia efa eo an-dalana mamolavola ny rafitra hitantana ny fisotroan-drononon’ny tantsaha ny Tahirim-pirenena satria toy ny mpiasa rehetra dia mendrika hahazo izany ny mpamokatra. Toy ny mpiasa amin’ny sehatra tsy miankina dia mety osa ny tantsaha rehefa lehibe, ary ny tena zava-misy dia tsy afaka mitana angady sy miompy intsony satria mihena ny hery entina mamokatra, indrindra rehefa miha antintra mandroso taona. Koa mendrika raha mandray fisotron-dronono ny mpamboly, ny mpiompy, ny mpanjono ary ny mpanao asa tanana. Ho an’ireo efa mpikambana CNaPS kosa, izany hoe ireo mpiasa fehezin’ny Satan’ny asa sy ny Lalàna an-dranomasina toy ny sehatra tsy miankina, ny mpandraharaha, ny tompona trano fandraisam-bahiny, ny fampianarana, ny fiangonana dia nomen’ny CNaPS fiofanana manokana izy ireo tao Tanambe nandritra ny telo andro. Nahatratra 70 ireo mpiofana nahitana ny avy amin’ny sekoly, kaominina, orinasa madinika sy salantsalany miantsehatra amin’ny fambolena sy ny fiompiana noho ny faritra Alaotra izay malaza amin'ny fambolem-bary. Nampahafantarin’ny ekipan’ny SASS (Service d’Actions Sanitaire et Sociale) azy ireo tamin'izany ny mahakasika ny CNaPS amin'ny ankapobeny sy ny tolotra rehetra, indrindra ireo tolotra nasiana fanatsarana toy ny fisondrotan'ny volanjaza sy ny fanampiana ho an'ny vehivavy bevohoka ... Olo-manankaja maro notarihin’ny lehiben’ny distrika no tonga nanatrika ny fotoam-panokafana ka ireo izay nandray fitenenana dia nisaotra sy nampahery ny CNaPS amin'izao ezaka fanatonana ifotony ataony izao.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.