Toy ny faritra rehetra izay efa nolalovan’ny CNaPS sy ny minisiteran’ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana dia misedra olana ihany koa ny kaominina any amin’ny faritra androy.
Amin’ny ankapobeny dia eo amin’ny loharanom-bola miditra amin’ny vondrom-paritra no mipetraka ny olana ka lasa sakana amin’ny tsy fisitrahan’ny mpiasan’ny kaominina ny zony. Manome tantsoroka fiofanana ho azy ireo ny minisiteran’ny atitany sy fitsinjaram-pahefana ary ny CNaPS. Ny CNaPS dia nitondra fahalalana mikasika ny fomba fitantanana ny kaominina, ny fitondrana ireo mpiasa ny fikirakirana an’ireo volam-panjakana sy ny fomba fitantanana azy ao anatin’ny kaominina. Ankoatra izay, nampianarina ireo ben’ny tanàna sy ny mpanolotsainy koa ny fanaovana ny antontan-taratasy ilaina ahafahana mampiditra ireo mpiasan’ny kaominina ho mpikambana ao amin’ny CNaPS sy ny tombontsoa azo avy amin’ny fanatanterahana izany. Ny minisitera mpiahy ny vondrom-paritra kosa dia nanazava fa tsy mitsahatra ny manohana ny kaominina tamin’ny alalan’ny fanavaozana ny lalàna 2014-018, 2014-020 ary ny 2014-021 ny fanjakana izay mitsinjo indrindra ny fanarenana ireo kaominina marefo. Ny kaominina mantsy dia mahaleotena ara-bola sy ara-pitantanana, hoy Atoa Randriamilanto Florent, talen’ny CDADDL– ONCD eo anivon’ny minisiteran’ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana. Nohamafisiny fa misy ny vola omen’ny fanjakana ny kaominina izay antsoina hoe « Fonds National de Péréquation » (FNP), vola izay natokan’ny fanjakana ho an’ny kaominina amin’ny alalan’ny FDL (Fonds Local de Développement). Io FNP io dia natokana hanaboarana fotodrafitrasa fa tsy natao hanodinana ny fiainan’ny kaominina (budget de fonctionnement) akory. Vonona ireo ben’ny tanàna hanefa ny adidiny hitsinjovana ny hoavin’ireo mpiara-miasa amin’izy ireo izay tsy mba nanana fiahiana ara-tsosialy hatramin’izay. Efa fantatr’izy ireo ankehitriny ny lalàna dia handray ny andraikiny izy ireo ary hanara-maso akaiky ny prefen’Ambovombe MOSA Romain sy ny minisitera mpiahy ny vondrombahoaka itsinjaram-pahefana ary ny CNaPS satria ny fiahiana ara-tsosialy tsy miangatra dia andraikitry ny rehetra.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.