Actualités

Fiahiana ara-tsosialy-Faritra Anosy Nojerena manokana ny kaominina


  • Talata 24 Oktobra 2017

Tao anatin’ny roa andro no nanatanterahana ny atrikasa fampiofanana an’ireo ben’ny tanàna sy ireo filohan’ny filankevitra kaominaly ary ny mpikirakira vola eo anivon’ny kaominina ato anatin’ny faritra Anôsy.

 

 Tao amin’ny efitrano malalaky ny kaominina Ambonivohitr’i Taolagnaro renivohitry ny faritra Anôsy no nanatanterahana ny hetsika. Mpiofana avy amin’ny distrika 3 mandrafitra ny faritra Anôsy avy amin’ny kaominina 69 no nandray anjara. Noho ireo olana maro sedrain’ny mpiasan’ny kaominina hatramin’izay amin’ny tsy fahazoana zo feno amin’ny fiahiana ara-tsosialy avy amin’ny CNaPS sy manoloana ireo olana amin’ny tsy fanefan’ny vondrom-bahoakam-paritra ny latsakemboka dia manome tantsoroka fiofanana ho azy ireo ny minisiteran’ny atitany sy ny solontenan’ny minisiteran’ny fitantanam-bola sy ny tetibola aty amin’ny faritra ary ny CNaPS. Nitondra fahalalana mikasika ny fomba fitantanana ny kaominina, ny fitondrana ireo mpiasa ny fikirakirana an’ireo volam-panjakana sy ny fomba fitantanana azy ao anatin’ny kaominina. Ankoatra izay, nampianarina ireo ben’ny tanàna sy ny mpanolotsainy koa ny fanaovana ny antontan-taratasy ilaina ahafahana mampiditra ireo mpiasan’ny kaominina ho mpikambana ao amin’ny CNaPS sy ny tombontsoa azo avy amin’ny fanatanterahana izany. Nampiavaka ny atrikasa ny fitadiavam-bahaolana miaraka tamin’ny alalan’ny asam-baomiera satria samy manana ny olana sedrainy ny kaominina. Ankoatra izay, tsy diso anjara tamin’ny fanentanan’ny CNaPS ihany koa ny tanora satria dia efa tamin’ny 2014 no nisian’ny Klioba CNaPS Zandriolona tany Taolagnaro mahatratra 473 ny mpikambana ankehitriny. Nanampy isa ireo mpianatra avy ao amin’ny sekoly Sacré Cœur sy ny EPP Befalafa ny avy eo anivon’ny Lycée Technique Professionnel et Agricole (LTPA) Taolagnaro. Taorian’ny faritra Anôsy dia nihazo avy hatrany ny faritra Androy any Ambovombe indray  ny delegasion’ny CNaPS.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT