Fiadidian’ny Repoblika

« Tsy mpanolotsain’ny PRRM


  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

izany ilay voasambotra ! »

Nidina teny amin'ny SRC na ny Sampam-pikarohana misahana ny heloka bevava i Harry Laurent Rahajasona na Rolly Mercia, Talen'ny serasera eo anivon'ny Fiadidian'ny Repoblika ny sabotsy 11 jolay 2026 teo, nijery ny fizotry ny fanadihadiana momba ireo olona voasambotra voarohirohy amin'ny fisandohana sy fampiasana ny anaran'ny Filoha. Nanamafy, fa tsy Mpanolotsaina teknika eo anivon'ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara ilay olona voatazona ao amin'ny Sampana Fikarohana ny Heloka Bevava eny Fiadanana izay mitonona ho mitàna io andraikitra io. Voarohirohy amin'ny hetsika fanakorontanana ny firenena izay mifandraika tamin'ny grevin'ny taksibe farany teo io olona io. Misy solombavambahoaka voalaza ihany koa manao fanelanelanana ho an'ny tombontsoan'io olona voatazona eny Fiadanana io. Andaniny, nampirisika ireo tompon'andraikitra eo anivon'ny Sampana Fikarohana momba ny Heloka Bevava tsy hanaiky ireo karazana fanelanelanana na ataon'iza na iza ny Talen'ny Serasera eo anivon'ny Fiadidiana ny Fanavaozana fa hamela ny raharaha ny hizotra manaraka ny ara-dalàna. Namafisiny fa tsy mitsabaka amin'ny fanadihadiana momba ity raharaha ity velively ny Fiadidiana ny Fanavaozana, saingy tonga nanamarina ny vaovao izay re ka nahavoatonontonona ny anaran'ny Filoha sy ny Fiadidiana ny Fanavaozana, hoy Rahajason Harry Laurent. Ny Kolonely Randrianirina Michaël rahateo efa nanambara fa manaja tanteraka ny fisarahan'ny fahefana. Atolotra ny Fampanoavana anio alatsinainy ity olona misandoka ho mpanolotsaina eo anivon'ny Fiadidiana ny Fanavaozana ity raha tsy misy ny fiovana. Tsara ny mampahatsiahy, fa hentitra ihany koa ny Kolonely Randrianirina Michael ny faran’ny herinandro teo, fa tsy asam-panjakana no nanendrena ireo mpanolotsaina, fa raha misy iraka tiany hampanaovina dia manana ireo minisitra ny tenany. Nisy ny toromarika avy hatrany ny hisamborana ireo misandoka mampiasa ny anarany amin’ny kolikoly na fanaparam-pahefana.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

  • Politika ao Nosy Be Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manamafy ny fitakiana PDS ny ARMA

  • Valéry Ramonjavelo
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Voatsipaka ny fangatahana

  • LEHILAHY
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

NISY FOFON-TOAKA

  • Nomen’ny ONU
  • Alarobia 23 Septambra 2026

ny hajany i Madagasikara

  • JENERALY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

RAVALOMANANA RICHARD

Hijery ny tohiny
FTT