Fiadidian’ny Repoblika

Nesorina tsy ho Talen’ny «


  • Alakamisy 22 Janoary 2026

Bureau des doléances » ny Kolonely Patrick

Nesorina amin’ny andraikitra maha Tale misahana ny Birao fandraisana ny fitarainana eny anivon’ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara na ny « Directeur du Bureau des Doléances de la Présidence de la Refondation de la République » ny Kolonely Patrick Rakotomamonjy, raha ny fanapahan-kevitra noraisina tao anatin’ny filankevitry ny Minisitra ny alin’ny talata 20 janoary teo. Izy izay ny volana novambra 2025 lasa teo no voatendry tamin’izany andraikitra izany, saingy io nesorina io aty amin’ny volana janoary, izany hoe vao roa volana teo ho eo. Misy antony manokana tsy fahantaterahana ny iraka nampanaovina azy na fahadisoana arak’asa ve sa hotendrena amin’ny andraikitra ambony hafa ? Misy ifandraisany amin’ny tranga voalaza fa nisiana fikasihan-tanana mpivarotra mpanao Bar teny akaikin’ny HOMI Soavinandriana ny faran’ny volana desambra 2025 ? Io fivarotana io ilay efa nambaran'ny Kolonely Patrick tamin’ireo horonantsary nataony tany aloha fa misy kolikoly goavana, tsy ara-dalàna ny fisiany eo akaikina hopitaly, mivarotra zava-mahadomelina,… Nisy resaka alahelo manokana aza fa hoe noho ny nataon’ny vadin’ny tompon’io tsena io no nahafaty ny renin’ity manamboninahitra ity ? Asa na mety ho noho io na antony hafa mihitsy, na fandaminana ara-panjakana, fa raha tsiahivina isan’ny nanamarika ny tantara ny Kolonely Patrick, efa nosamborin’ny Fanjakana Rajoelina ny volana aprily 2025, fa tafatsoaka tany ampitan-dranomasina, nanao ampamoaka mikasika ireo kolikoly goavana samihafa mikasika ny fitantanana ny firenena, ny tontolon’ny fahasalamana, ny Jirama. Nijoro ho mpifanandrina tamin’i Mamy Ravatonga azy sahy nilaza hoe: « tsy hamelako ianao ry Mamy Ravatomanga »,… Sesin-tany politika tany ivelan’i Madagasikara, ary niverina an-tanindrazana taorian’ny fionganan’ny fitondrana Rajoelina ny volana oktobra 2025 lasa teo.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fampiofanana hanamory
  • Alarobia 22 Aprily 2026

fiaramanidina Nanenjana ny ACM, naato ny

  • FILOHAN'NY SMKAR
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Avelao aloha hiasa ny PDS

  • Niteny ny Lehiben’ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Franc-maçonnerie GODF

  • Toe-draharaha
  • Alarobia 22 Aprily 2026

politika mafana

  • Fampandrosoana
  • Alarobia 22 Aprily 2026

sakanan’ireo mafia Voaporofo tamina firenena

  • Tafapetraka ny PDS
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Feno Ralambomanana

Hijery ny tohiny
FTT