Actualités

Fiadidiana ny faritra Alaotra Mangoro Hanao ezaka hahazoan’ny rehetra herinaratra


  • Alatsinainy 29 Jona 2015

Fanoitra amin’ny fampandrosoana ny fananan’ny mpiara-belona herinaratra. Mahatsapa izany ny fiadidiana ny faritra Alaotra Mangoro ka nifanome tanana tamin’ny orinasa BTC amin’ny famolavolana tetikasa iray hahafahan’ny vahoaka rehetra ao anatin’ny faritra Alaotra Mangoro manjifa herinaratra amin’ny vidiny mirary.

 Nisy ny fidinana ifotony ny faran’ny herinandro teo tany Ambatomafana, nijerena ilay riandrano havadika ho herinaratra. Nitarika ny dia tamin’izany ny lehiben’ny Faritra Ranaivonirina Jean Yves. Dia an-tongotra adiny fito vao tonga tany amin’ilay toerana, kanefa tsy nampihemotra ny fiadidiana ny faritra amin’ny ezaka tiany hotanterahana izany. Izay hampandroso ny faritra no himasoana, hoy ny lehiben’ny faritra ka hifanome tanana ny rehetra hanatontosa ny tetikasa. Fantatra fa hahafahana mamokatra herinaratra hatrany amin’ny 5MGWatt ny riandrano any Ambatomafana, izay mahavita mamatsy ny faritra Alaotra iray manontolo, araka ny nambaran’ny tekinisianina avy amin’ny orinasa BTC. Hitondra fampandrosoana haingana ny faritra Alaotra Mangoro ny fahatontosana io tetikasa io.


Niry A 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT