Namoaka filazana ny Ministeran’ny serasera sy ny kolontsaina afak’omaly alatsinainy mikasika ny tsy fahafahan’ny FI.TRA.MA na ny Fitsaboana Tradisionela Malagasy manao dokam-barotra amina haino aman-jery intsony.
Namaly izany tamim-pahatsorana omaly ny Filohany Rafanomezantsoa Jean Nirina ary fantatra fa hamoaka ny tsiambaratelon’izany sakana hatao azy izany amin’ny mpanao gazety anio.
FACEBOOK
Nanohana ny fo tokoa hoy izy ny zavatra nataon’ny Ministera mikasika ny fanaparitahana izany tany anaty tambajotran-tserasera Facebook, indrindra fa ny momba ilay olona. Tsy marina hoy izy ny filazana fa tsy mpikambana tao amin’ny ANTM ( Association Nationale Tradipraticien Malagasy) izahay saingy nisitaka kosa. Io rafitra io mantsy hoy izy dia efa tia tena hatramin’izay ary raha porofo no tadiavina dia ny mpitsabo nentim-paharazana Rakotondranaivo Jean Pierre no nividy ny latabatra sy ny seza nampiasainy tao amin’ny ANTM.
NY OLOM-BOAFIDY NO MIANTSO
Nambaran-dRafanomezantsoa Jean Nirina ihany koa fa tsy miasa irery izy ireo. Ireo olom-boafidy toy ny Solombavambahoaka sy Senatera ary Ben’ny tanana maro an’isa mantsy no miantso azy ireo mba hanao asa fitsaboana any amin’ny faritra misy azy hanasoavana ny vahoaka, hoy, izy, antony mampihitatra ny FI.TRA.MA. Notsindriany manokana tamin’izany ny solombavambahoakan’i Manakara, Vohipeno, Mananjary raha toraka izany koa ny solombavambahoakan’i Maintirano…. Ho an’ny solombavambahoakan’i Vohipeno izay tratry ny tsy fahasalamana dia fantatra fa ny FI.TRA.MA no manampy azy amin’ny fanafody hitsaboany tena. Efa tonga hatrany ivelany izany ka ho ana solombavambahoaka iray tsy salama any Frantsa koa ohatra dia ny FI.TRA.MA no mamatsy fanafody azy izay nomarihiny manokana fa tsy resa-jazakely sanatria fa efa avo lenta tanteraka.
MANOHANA NY FILOHA ANDRY RAJOELINA
Notsindrian-dRafanomezantsoa Jean Nirina fa ny Filoha Andry Rajoelina no tohanany. Io filoham-pirenena io irery mantsy hatreto hoy izy no nanentsika izany fitsaboana nentim-paharazana izany ka ilay filazana hoe : tsy mahazo manao dokam-barotra dia nomarihiny manokana fa ry zareo dia efa nitsabo foana tao anatin’izay 11 taona izay ary efa tao anatin’ny ANTM foana. Ny anarana toy ny FI.TRA.MA hoy izy dia tsy mitondra na inona na inona mihitsy. Tokony havahana tsara hoy izy ny lalana mikasika ny fiaraha-monim-pirenena mikasika sy ny resaka fitsaboana. Ny dokam-barotra hoy izy dia efa ampy ny FI.TRA.MA ny zava-bitany. Efa nahatsabo Malagasy maro izahay hoy hatrany Rafanomezantsoa Jean Nirina ary Malagasy maro no efa nahazo tombontsoa.
HODITR’AKONDRO
Miantso ny tokony hampitsaharana ny hoditr’akondro hatsipy ho an’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina araka izany ny Filohan’ny FI.TRA.MA. Tsy tsapan’ireo manodidina azy mantsy hoy izy ny vokatry ny zavatra hataony ka lasa ilay filoham-pirenena no mizaka izany. Miantso ny Filoham-pirenena mba hijery akaiky ny tranga iainany tahaka izao araka izany Rafanomezantsoa Jean Nirina. Ny tombontsoan’ny Malagasy rehetra no tanjona, indrindra fa ho an’ireo hampijalian’ny aretina mandalo fangirifiriana hoy izy. Miantso ireo olom-boafidy ihany koa ny filohan’ny FI.TRA.MA mba hijery akaiky izany
HAMOAKA TSIAMBARATELO
Marihina moa fa hamoaka ny tsiambarantelon’izao sakana mahazo azy ireo izao amin’ny mpanao gazety ny FI.TRA.MA anio Alarobia. Karana mpanefoefo eto Madagasikara no ao ambadik’izany hoy izy izay mariky ny fanjanahantany ary tiany ho fantatry ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina izany. Efa nantsoin’io karana io im-betsaka ny FI.TRA.MA raha araka ny fanazavany saingy tsy nanaiky izy ireo. Notambazana volana amina miliara ihany koa izy ireo fa tsy natakalony izany ny tanindrazany. Ny fitsaboana ny Malagasy mantsy no tena zava-dehibe ho azy ireo. Foto-kevitra hijoroan’ny FI.TRA.MA moa izany ka hijoro hatrany izy ireo hanohitra ny fanjanahana toy ny tamin’ny andron’ny Menalamba sy VVS, raha araka ny fanazavana azo.
HIVADIKA HO ORINASA
Na izany aza dia handray fanapahan-kevitra ny FITRAMA manoloana ireny fanambaran’ny Ministera ireny. Lohalaharana amin’izany ny fananganana ny sendikan’ny Mpitsabo nentim-paharazana. Hivadika ho orinasa ihany koa izy ireo noho ny fahitany fa tsinontsinona ny rafitra orinasa sy fikambanana eto Madagasikara. Lasa tsy voaaro hoy izy izy ireny nefa namorona asa ho ana tanora marobe. Ankoatra izay dia nampianatra ny soa toavina maha-Malagasy ihany koa ny FI.TRA.MA izay tiany ho fantatry Rtoa Ministry ny serasera sy ny kolontsaina. Very izany hoy izy raha tsy hisy hikarakara ka anisan’ireny ireo zava-maniry Malagasy izay mety ho lasa tsinontsinona raha tsy voajery. Notsindrian-dRafanomezantsoa Jean Nirina moa fa fahasoavana no nentin’ny FITRAMA teto amin’ny firenena fa tsy famoana vahoaka. Raha hijery politika mendrika hoy izy dia na inona na inona foto-kevitra ka mety hahasoa ny vahoaka sy hahasoa ny firenena dia tokony hojerena.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.