Namoaka fanambarana omaly Alakamisy 02 Oktobra
ireo Raiaman-dReny Mpitarika eo anivon'ny FFKM Faritany Ambositra manoloana ny toe-java-misy ankehitriny. Nambaran'izy ireo fa mtrotro am-bavaka ny firenena mandrakariva izy ireo ary miantso sy manainga ny mpino kristiana rehetra hivavaka tsy mitsahatra sy hifona ho an'ny firenena manoloana izao savorovoro misy manerana an’i Madagasikara izao. Hoy ny soratra masina: « Koa mifamela heloka ianareo, ary mifampivavaha, mba ho sitrana ianareo. Ny fiasan’ny vavaka ny marina dia mahery indrindra. » (Jakoba 5:16). Zon’ny olom-pirenena tsirairay ny maneho hevitra an-kalalahana araka izay hamaritan’ny lalàna voafaritry azy, koa aoka isika mpitondra hanaja sy hankato izany tsy ho baikon’ny mpitandro ny filaminana ka hampiasa herisetra amin’ireo izay mamoaka hevitra ary mba handray andraikitra sy hanaja ireo rafitra ka hisoroka ny fiiharam-pefy izay mety hitarika ho amin’ny fandrobana sy fanimbana fananan’olona sy ny fananana iombonana. An’ Andriamanitra ny aina hoy izy ireo. Manentana ny vahoaka kristiana rehetra sy ny vahoaka Malagasy rehetra ny FFKM Ambositra noho izany mba hitandro toy ny ankandriamaso ny aina, ny fifankatiavana, ny fihavanana, ary tsy ho voasarika ho amin’ny korontana sy ny herisetra samihafa, indrindra ny fandrobana na fanimbana fananan’olona. Manam-pahendrena ny vahoaka Malagasy ary mahafantatra fa tsy izany no fomba. Farany izay tsy kely akory dia miantso ny tsirairay hanandra-bavaka mafy sy matanjaka izy ireo satria : « Ny vavaka manova zavatra. » Ny Hendry ihany no anarina koa aoka ho zava-dehibe ny fitandroana ny fihavanana sy ny maha-izy azy fivavahana.
Pati
Légende : Nandritra ny tafa ho an'ny mpanao gazety nokarakarain'izy ireo omaly !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.