Actualités

FFF ho Malagasy Mahomby Hampahafantatra ny fanabeazana malala-drafitra


  • Talata 12 Aogositra 2014

Maro ireo voka-dratsy nateraky ny krizy lavareny novolena teto Madagasikara nanomboka tamin’ny taona 2009. Iray amin’ireny ny fahapotehan’ny ny fanabeazana saingy tsy hita ny politika mazava sy paikady mahomby hiatrehana ny fandaozan’ny ankizy madinika ny varavaran-tsekoly ny mpitondra fanjakana vaovao

Vahaolana nahitam-bokatra tsara efa ho roapolo taona mahery izay ny fanabeazana malala-drafitra novolavolain’ny Fifampiofanana Fanabeazana Fikolokoloana ho Malagasy Mahomby. Mbola manavao ny daholobe sy ireo andrim-panjakana mpanapa-kevitra anefa ity fandaharanasa famerenana ireo ankizy nitsoaka an-daharana sy ny Asa Sekoly Avotra Malagasy vokatry ny fikarohana tany amin’ny taona 1996-2000 izay natao hoan’ireo zatovo 11 hatramin’ny 15 taona ity. Noho io antony io indrindra no hisian’ny hetsika iray volana hampahafantarana ny fanabeazana malala-drafitra sy ny Asa Sekoly Avotra Malagasy. Hanomboka ny 18 hatramin’ny 22 aogositra ny andiany voalohany ao amin’ny Tranompokonolona Analakely. Ny Ivon-toeran’ny Kolontsaina Malagasy Antsahavola kosa no handray ny andiany faharoa ny 27 aogositra sy 3 septambra ary ny 8 hatramin’ny 12 septambra 2014.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT