FETIN’NY RENY AO TOLIARA

Tarafina maimaimpoana avokoa ireo Reny bevohoka


  • Alarobia 22 Mey 2024

Efa mahatratra 20.000 Ar amin’izao ny mitaratra indray mandeha na manao echographie ho an’ny vehivavy bevohoka iray.

Misy mahatratra 50.000 Ar izany ho an’ireo hopitaly tsy miankina sasany, miankina amin’ny fitaovana hampiasainy. Mba ho fanampiana ireo vehivavy ao Toliara dia nanao hetsika maimaim-poana mifandraika amin’izany ny fikambanana Tohano Ty Antimo any an-toerana. Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny fetin’ny Reny izay homarihina ny 26 May ho avy izao izany ka ny tanjona dia ho Reny Salama afaka hiatrika amim-pitoniana ny fiterahany ny menaky ny ainy. Miisa 45 ireo Reny efa nahazo tombontsoa tamin’ny Sabotsy lasa teo. Mbola hitohy amin’ny Sabotsy 25 May ho avy izao izany izay hiarahan’ny fikambanana amina hopitaly tsy miankina iray any an-toerana. Tsiahivina moa fa anisan’ny faritra maro vehivavy bevohoka Toliara. Misy amin’izy ireo no tovovavy kely tsy ampy taona.
Nangonin’i Pati
Legende : Nandritra ny hetsika voalohany !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT