Actualités

Fetin’ny mpifankatia Ho hentitra ny fanaraha-maso ireo tsy ampy taona maka « chambre »


  • Talata 14 Febroary 2023

Hankalazaina anio talata 14 febroary ny fetin’ny mpifankatia na ny Saint Valentin. Samy manana ny fomba entiny hanamarihana izany ny rehetra na ho an’ny mpivady na ho an’ny mpifankatia.

Mikasika ireto farany manokana dia fantatra fa ho hentitra amin’ny fanaraha-maso ireo zaza tsy ampy taona miditra any amin’ny efitrano fandraisam-bahiny na « chambre » ny mpitandro ny filaminana. Mbola misy ihany mantsy ireo tompon’andraikitra eny anivon’ireny ivon-toerana sasantsasany ireny no manao izany ka tolorana vola kely dia tsy mitaky kara-panondrom-pirenena na izany aza no tokony ho izy. Melohin’ny lalàna ny fiarahana, sy indrindra fa ny fanaovana firaisana ara-nofo amina zaza tsy ampy taona .Ankoatra izay dia arahi-maso akaiky ihany koa ireo toeram-pandihizana izay mbola mahasahy mandray ireo zaza tsy ampy taona ihany koa indrindra fa any amin’ireo faritra ivelan’ny renivohitra. Hisy moa ny sazy hohampiharina amin’ireo izay tratra amin’ity anio ity, hetsika ezahina hotohizana hatrany ho fiarovana ny zaza Malagasy. Mikasika ny fividianana fanomezana manokana ho an’ny olon-tiana dia fantatra fa vitsiana ireo nahavita nanao izany noho ny hasarotan’ny fiainana. Efa nahena avokoa anefa ny vidin’ireo kojakoja ilaina mifandraika amin’izany saingy mbola tsy misy mpividy ihany.
(Sary fanehoana)
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT