FETIN’NY MPIFANKATIA-BORIBORINTANY II

Mpifankatia 18 niroso tamin’ny fisoratana omaly


  • Alakamisy 15 Febroary 2024

Nohon'ny fetin'ny mpifankatia izay nankalazaina omaly Alarobia 14 Febroary

dia nanao hetsika manokana mifandraika amin’izany ny Boriborintany fahatelo notarihin’ny delege Razafimandimby Rija Ethel. Fisoratam-panambadiana faobe no notanterahina tamin’izany ka mpifankatika miisa 18 no nifanaiky fa hiara-dia mandrakizay teo anatrehan’ireo fianakaviany sy ireo tompon’andraikitra eo anivon’ity Boriborintany iray ity. Andiany voalohany izy io raha araka ny fanazavana azo ary ezahin’ity Boriborintany iray ity hotohizana. Tanjona amin’izany ny mba hampanara-dalana ireo tokantrano maso rehetra. Miisa 30 moa ireo nametraka antontan-taratasy raha 18 isa kosa no nahafeno ny fepetra takiana amin'izany fisoratam-panambadiana izany. Miisa 06 moa ireo mpivady efa nanan-janaka talohan'izany fisoratam-panambadiana izany ka nampidirina ao anaty bokim-pianakaviana rehefa avy nozanahin'ny rainy tsirairay avy.
Pati
Legende : Nandritra ilay fisoratam-panambadiana omaly !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT