Saika isan-taona tao anatin’ny valo taona izay dia manomana hetsika ho fanampiana ireo zanaka Atsimo Atsinanana manana havana milevina tsy tonga an-tanindrazana ao Toamasina ny ekipan’ny Tiako I Madagasikara (TIM) ao Morarano tarihan-dRtoa Razanarazo Yvonne Arlette mpanolotsain’ny kaominina. Andiany faha-8 no nataon’izy ireo tamin’ity,
tafiditra amin’ny fankalazana ny fetin’ny maty ihany koa. Ny senatera TIM voafidy tao Toamasina Randriantsalama Jackie no nanampy ireo fianakaviana 15 nitondra ny havany efa maty any an-tanindrazany, ho any Farafangana sy Vangaindrano. Teo koa ny fiaraha-miasan-dRtoa Razanarazo Yvonne Arlette tamin’ny kaoperativa Besady mpanao ny zotra Toamasina Atsimo Atsinanana. Ny fahalafosan’ny fitondrana ireo razana mody an-tanindrazana amin’ireo fianakaviana manana ny maty no anampian’ny TIM azy ireo isan-taona, satria ankoatra ny saran-dalan’ny olona iray 60.000 ariary, dia manodidina ny 100.000 ariary ihany koa ny razana iray, raha efa nahatratra ana hetsiny teo aloha. “Tsy hitsahatra hatreo ny fanampiana ara-tsosialin’ny TIM ho an’ny zanak’i Morarano manana razana tsy tonga an-tanindrazana fa hitohy hatrany”, hoy Rtoa Arlette.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.