FETIN’NY KRISMASY TETO AN-DRENIVOHITRA

Mbola betsaka ireo tazana nanao ny asany andavanandro


  • Alakamisy 26 Desambra 2024

Mbola betsaka ireo tazana nanao ny asany tamin’ny andavanandro omaly Alarobia 25 Desambra

teto an-drenivohitra, fotoana nankalazana ny fetin’ny Krismasy. Lohalaharana amin’izany ireo mpivarotra amoron-dalana sy ireo mpitarika posy izay tsy mba nanana teti-bola niatrehana ny fety ny ankamaroany fa niaina toy ny mahazatra ihany. Vitsy ireo tazana nandeha nivavaka sy niara-nisakafo tamin’ny fianakaviany vokatr’izany. Mbola betsaka ihany koa ireo mpivarotra sakafo masaka tazana nanohy ny asany namonjy ireo mpivavaka vao maraina sy ireo tsy mba afaka nody nisakafo atoandro. Raha tsiahivina tokoa mantsy dia fotoana fandaniam-bola ny vanim-potoanan’ny fety tahaka izao izay mbola hitohy mandrapifaran’ny taona. Tsy maintsy karohina hatrany izay tokony hiditra noho izany hahafahana miatrika ny fiainana toy ny mahazatra araka ilay fitenenana manao hoe : Ny hohanina anio, tadiavina anio. Iaraha-mahalala rahateo ny fahasahiranan’ny isan-tokantrano vokatry ny fitontongan’ny sandam-bola Malagasy sy ny fidangan’ny vidim-piainana ankehitriny. Ny amin’io taona vaovao 2025 io moa no tena atahoran’ny rehetra raha araka ny fanadihadiana natao indrindra fa ny mety ho fiakaran’ny vidim-bary sy ireo kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro tsy miato.
Pati
Legende : Mbola nivarotra tahaka izao ihany ireo mpivarotra tetsy Anosy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

  • Tontolo iainana,
  • Talata 05 Mey 2026

tanora, angovo azo havaozina

  • Alaotra Mangoro
  • Talata 05 Mey 2026

Misokatra ny taom-piotazana,

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

Hijery ny tohiny
FTT