FETIN’NY 26 JONA

Nisy tsy nahalany ilan-kisoa akory ny mpivaron-kena omaly


  • Alakamisy 27 Jona 2024

Nankalaza ny faha-64 taona niverenan’ny Fahaleovantena isika omaly Talata 26 Jona.

Tokony ho fety manan-danja izany ho an’ny sara-babem-bahoaka ary hanaovana sakafo miavaka amin’ny mahazatra saingy tsy izany no zava-nisy hita teny rehetra teny. Tsy nahalany ilan-kisoa iray amin’ny 40 kg akory mantsy ny mpivaro-kena iray. 10 kg raha nisy omaly no lafon’ny mpivarotra iray mitovy amin’ny andavanandro ihany. Teo amin’ny olona 7 isa teo hoy ny mpivarotra iray teny Andranonahoatra Itaosy teny ireo mba nividy hena 1 kg isanisany. Ny ankoatra izay dia an-tsasany sy fahefany avokoa no betsaka. Saika tany amin’ny taovany sy ireo hena tsy lany afak’omaly kosa ny ambiny no nifandrombaka. Nahitana taratra ny fahasahiranan’ny Malagasy avokoa izany izay mihamafy isan-taona. Tsy lazaina intsony ireo mbola tazana nikarama teny rehetra teny toy ny mpivarotra amoron-dalana, ny mpitarika posy, ny mpitondra taxi-bisikileta….Miaina amin’ny hohanina anio tadiavina anio avokoa ny ankamaroan’ny tokantrano Malagasy. Tsy maintsy hiatrika ny fiainana andavanandro indray mantsy manomboka anio Alarobia 27 Jona ka raha vantany vao banga indray andro ny fitadiavana dia efa mahandro fotsy ny iray trano. Tsy mety hitan’ny Fitondram-panjakana na modiany tsy fantatra izany fahasahiranam-bahoaka izany fa ny haitraitra no betsaka.
Pati
Legende : Maina ny tsenan’ny mpivaro-kena fa tsy toy ny fetin’ny 26 Jona isan-taona omaly !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT