Actualités

FETIN’NY 26 JONA ENY FENOARIVO Efa miomana amin’ny « course kalesa » indray ny mponina


  • Alatsinainy 17 Jona 2024

Efa miomankomana amin’ny course kalesa indray ny ankamaroan’ny mponina

eny Fenoarivo sy Alakamisy Fenoarivo, distrikan’Atsimondrano eny amin’izao ankatoky ny fankalazana ny Fetim-pirenena 26 Jona izao. Anisan'ny mampiavaka azy ireo raha tsiahivina kilalao iray ity izay mandeha sy mamakivaky iny lalam-pirenena voalohany iny mihitsy. Raha ankizilahy kely hatrany no heverina ho tena mpanao sy mpankafy izany amin’ny ankapobeny dia efa misy mahatratra hatrany amin’ny 40 taona ny mpandray anjara no sady mian-dahy miam-bavy mihitsy. Manomboka amin’ny 06 ora hariva eo ho eo no tena hisian’izany ny harivan’ny 25 Jona sy ny 26 Jona ary tsy mifarana raha tsy amin’ny 10 ora alina any ho any. Ny fiara tompon’ny lalana indray no mandefitra mandritra io fotoana io. Tsy vitsy amin’ireto farany rahateo no variana ka maka sisiny mijery ny fahaizan’ireo mponina eny an-toerana miangaly ny familiana kalesy.
Pati
Legende : Nameno ny arabe tahaka izao ireo mpandray anjara tamin’ny taon-dasa !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT