Actualités

Fetin’ny 26 jona ao Alasora Ho hentitra ny fitandroana ny fandriampahalemana


  • Alarobia 14 Jona 2023

Ho hentitra ny fitandroana ny fandriampahalemana mandritra ny fankalazana ny fetin’ny 26 jona ao anatin’ny kaominina Alasora.

Raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanana Randriantsoa Jimmy dia hisy ny fiaraha-miasan’izy ireo amin’ny mpitandro ny filaminana amin’ny fandaminana ny filaminam-bahoaka. Tafiditra ao anatin’izany ny fiarovana ireo hivoaka hanao arendrina sy hijery afomanga. Efa nisy ihany koa ny fiaraha-miasan’ny kaominina amin’ny JIRAMA amin’ny fametrahana jiro eny amin’ireo toerana nisy izany teo aloha saingy nisy nangalatra mba hahafahana manazava ny lalambe. Hosantarina amin’ny didim-poitra faobe moa ny fankalazana ny fetim-pirenena ho an’ity kaominina iray ity. Hisy ihany koa ny fizarana sakafo mafana ho an’ireo mpanala fanadinana CEPE amin’ny datin’ny 20 Jona, ny rindran-kira ara-pilazantsara ny datin’ny 24 jona, ny podium sy ny fandefasana afomanga, ho hafanain’ireo tarika malaza ny datin’ny 25 jona izay hofaranana amin’ny hira gasy goavana ny andron’ny 26 Jona.
Pati
Legende : Randriantsoa Jimmy, Ben’ny tanànan’Alasora
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT