Actualités

Fetin’ny ray Nangina tsy nitovy tamin’ny fetin’ny reny


  • Alatsinainy 16 Jona 2014

Nangina tamin’ny ankapobeny ny fankalazana ny fetin’ny ray tamin’ity taona 2014 ity izay nomarihina omaly alahady 15 jona.

Tsy toy ny tamin’ny fetin’ny reny ny fiantsenan’ny olona sy ny fividianany fanomezana raha araka ny hita tamin’ireo tsena maromaro eto an-drenivohitra. Voakasik’izany ny teo Analakely izay tena mifanitsa-kitro tokoa rehefa fety tahaka ireny, ny etsy Isotry…Noho ny tsy fananan’ny olona ny hoenti-manana no voalaza fa anton’izany. Misy koa ireo milaza fa diso mifanesy loatra ny fety amin’ity volana jona ity satria afaka 10 andro eo ho eo indray dia efa hankalaza ny fetim-pirenena 26 jona isika. Vokany, voatery mitsitsy ka na ilay fetin’ny ray tokony hankalazaina be aza zary nangatsiaka. Misy koa moa ireo tsy dia manome lanja ity fety iray ity loatra raha oharina amin’ny fetin’ny reny. Nangina tanteraka ny tsena vokatr’izany. Ho an’ireo mpivarotra fitafiana toy ny lobaka sy pataloha, ohatra, dia ny mpanontany no betsaka raha oharina amin’ireo tena nividy, araka ny fanadihadiana natao. Toraka izany koa ny tsenan-tsakafo izay nijanona ho toy ny faran’ny herinandro tsotra ihany. Na izany aza anefa dia betsaka ihany ireo fianakaviana sasany no tazana nanao fety nentina namalifaliana an’i Dada ka anisan’ireny ny fandehanana nisakafo tany amin’ny trano fisakafoanana ankoatra ny fanolorana fanomezana.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT