Fetin'ny fahaleovantena

Ho hentitra ny fitandroana filaminana eny amin’ny «Lac Iarivo»


  • Talata 24 Jona 2025

Ho fanamafisana ny fiarovana ny ain’olona sy ny fananany mandritra ny ny fankalazana

ny fetin'ny fahaleovantena dia napetraka avokoa ny fepetra rehetra hiantohana ny filaminana, hoy ny fampitàm-baovao voaray teo anivon’ny fianakaviamben’ny tafika malagasy omaly. Hifantoka manokana amin’ny faritra manodidina ny «Lac Iarivo» ny mpitandro filaminana, indrindra fa amin'ny toerana hanatanterahana ny lanonana sy ny fandefasana afomanga, hoy ny fanazavàna. Handrindra tsy tapaka ny fifamoivoizana manodidina ny toerana izay voakasika rehetra izy ireo. Ho tapaka vonjimaika ny lalana manomboka eo amin’ny "rond-point" na fiolanana Tsarasaotra mankany amin’ny «Lac Iarivo» ka ny fiara sasany dia hiodina any Ankazomanga na mandalo amin’ny digy Ambohitrimanjaka. Ho an’ireo manodidina ny Lac Iarivo nefa mikasa hiverina kosa dia asaina mandalo amin’ny lalan-tany mivoaka any Soavimasoandro. Hisy famantarana sy marika manokana hapetraka eny an-toerana ary hisy koa ny toerana fametrahana fiara na «parking» izay hotarihin’ny mpitandro filaminana. Miisa manodidina ny 4000 ny mpitandro filaminana hiasa amin’io fotoana io. Tsy maintsy arahina ny toromarika rehetra napetraka satria tsy azo atao ambanin-javatra ny fiarovana ny filaminam-bahoaka. Marihina fa voarara tanteraka ny fandefasana «laser» amin’io andro io, hoy hatrany ny fampitàm-baovao.
Nangonin’i J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT