Tena sahirana ny ankamaroan’ny Malagasy. Hita taratra isan’andro eny anivon’ny fiaraha-monina izany
fahasahiranana izany indrindra fa rehefa ankatoky ny fety tahaka izao. Raha araka ny fanadihadiana natao dia tsy misy manana teti-bola manokana hiatrehana ny fetin’ny 26 Jona ny isan-tokantrano. Tonga ny fety dia tsy maintsy hiainana sy lalovana raha araka ny resaka tamina Renim-pianakaviana maromaro fa ny ankoatra izay dia tsy misy. Izay kely hananana no hahiratra. Ny arendrin’ny ankizy no tsy maintsy vidiana saingy amin’ny sarany tsy mihoatra ny 2.000 Ar ihany koa ho an’ireo saranga antonony. Tsy mbola manana fahaleovantena ara-bola ny isan-tokantrano raha bangoina fa tsy maintsy miaina amin’ny hohanina anio, tadiavina anio….Ny sasany aza mbola tazana manasa lamba, mivarotra kely….mandritra ny andro fety noho izay fahasahiranana izay hatrany. Ho an’ny mpivarotra akoho amam-borona iray tetsy Anosibe dia nambarany fa tena maina ny tsena. Tamin’ity herinandro ity no tena nantenaina nefa na ny mpanontany aza tsy misy. Lafo dia lafo rahateo ny vidin’ny vorona. Mbola mahatratra 100.000 Ar ny iray amin’ny vorontsiloza iray lehibe raha 80.000 Ar kosa ny gisa…Vitsiana anefa ny tokantrano mahatakatra izany. Mikasika ny firenena amin’ny ankapobeny ihany koa dia mbola tsy mahaleo tena ara-tsakafo isika. Mbola miankina amin’ny any ivelany hatrany i Madagasikara toy ny fanafarana vary…. Hankalaza ny faha-64 taona niverenan’ny Fahaleovantena anefa isika. Aiza ho aiza amin’izay ary ilay fahaleovantena hirahiraina. Ny isan-tokantrano tsy mahaleo tena ara-bola fa mihasahirana isan’andro, ny firenena ihany koa mbola tsy mahaleo tena amin’ny lafiny rehetra.
Pati
Legende : Jerijerena tahaka izao fotsiny ny akoho amam-borona eny an-tsena eny !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.