Actualités

Fetim-pirenena 26 jona Hamelona indray ny fanantenana ao am-pon'ny Malagasy


  • Zoma 20 Jona 2014

Anisan'ny tompon'andraikitra feno amin'ny fikarakarana ny fankalazana Fetin'ny 26 jona ny governemanta iray manontolo.

 Tsy latsa-danja amin'izany ny minisiteran'ny asa tanana sy ny vakoka ary ny kolontsaina amin’ny famalifaliana ny vahoaka, anisan'ireny ny fanaparitahana ny “podium” izay nanomboka ny 18 jona lasa teo, ho an’ny teto an-drenivohitra. Tsy tokony hijanona ho fety tsotra fotsiny ihany anefa izany, hoy ny minisitra Randrianarisoa Vaonalaroy satria tsy azoazo tamin'izao fotsiny ny fahaleovantena fa nisy tantarany. Tokony hamelona indray ny fanantenana ao am-pon'ny Malagasy rehetra izany, hoy izy no sady hamelona ilay fihavanana eo amin'ny tsirairay ihany koa, anisan'ny kolontsaina mampiavaka antsika Malagasy. Manao antso avo amin'ny rehetra ny tenany mba hifikitra amin'ilay foto-pisainana manandratra avo ny fihavanana sy ny fanahy maha olona mba ho reharehan'ny firenentsika. Nomarihiny moa fa mitohy hatrany ny ezaky ny governemanta amin'izao fotoana entina hamahana ireo karazana olana miseho eto amin'ny firenena. Tsy ampy handrefesana ny asa vita, hoy izy, izay roa volana lasa izay koa aoka samy hanam-paharetana ny vahoaka Malagasy. Tsara ny manamarika fa fampirantiana sary hotanterahina etsy amin'ny Lapan'ny tanàna Analakely no entina hanohizana ny fankalazana ny Fetin'ny 26 jona ny alatsinainy ho avy izao. Hanasana ireo rehetra liana amin'ny tantara nahazoana ny fahaleovantena io, indrindra fa ny mpianatra.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT