Araka ny efa voalaza dia eto Antananarivo renivohitra ihany no misy ny fanamarihana amim-pomba ofisialy ny fetim-pirenena 26 jona amin’ity taona ity.
Izany akory tsy misakana ny isan-tokatrano tsy hanao fety nefa aoka mba hatao am-pahamendrehana sy am-pilaminana izany hoy ny avy eo anivon’ny polisim-pirenena. Tsy azo hatao ny mivorivory manao fety. Hisy ny polisy hanara-maso ireo toerana firevirevena toy ny eny By-pass, Marais-Masay, Boulevard de l’Europe sns….. Polisy miisa 1000 no hohetsehana ho an’Analakely sy ny manodidina izay tafiditra ao anatin’ny fiaraha-miasa amin’ny tafika sy ny zandary (EMMO-REG). Ireo boriborintany sy ny paositry ny polisy eto Antananarivo renivohitra sy ireo kaomisaria ivelan’Antananarivo ary ireo sampan-draharahan’ny polisy dia hanohy ny asany andavanandro. Hisy ireo polisy hanao ny fisafoana eran’ny tanàna ho fisorohana ireo mety hanararaotra amin’ny fety ka hanao asa ratsy. Ho an’ireo manan-draharaha hatao eo anivon’ny polisy dia misokatra ho an’ny rehetra ny biraon’ny polisy toy ireo manana fitorina sy fitarainana ohatra raha toraka izany ihany koa ireo any amin’ny distrika manerana ny Nosy. Hanao ny asany ireo polisy mpanara-maso ny sisin-tany. Mitohy ny asan’ny polisy amin’ny fampanajana ireo fepetra amin’ny hamehana ara-pahasalamana, hisy ny fisavana ny fanaovana aron-tava, ny fanakatonana tsena rehefa tonga ny ora voatondro ary indrindra indrindra ny fandrarana ny fivorivoriana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.